Sosialy

Sarimihetsika Malagasy « Mahavelona raha tsy atao kitoatoa »


  • Alarobia 19 Febroary 2020

Ny taona 2000 no nanomboka niditra tao anatin’ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy i Lala Raharimalala. Andrakandrana, raha ny fanazavany,

 

 

 

 no nidirany voalohany tao anatin’izay tontolo izay ary rehefa hitan’ny mpamokatra sarimihetsika fa mety aminy ilay milalao sarimihetsika dia nahazo fifanarahana tamina trano mpamokatra nalaza nanomboka tamin’izany fotoana ny tenany. Tsy nandalo fifantenana fa tao anatin’ny fitazonana ny anjara toerana mpilalao mpanampy no nahafahana nivoatra. Tokony ho tsara ny vokatra malagasy, raha ny eo amin’ny sarimihetsika, hoy izy, ary mahavelona raha tsy atao kitoatoa. Hita ho manomboka miha tsara aloha ny vokatra sarimihetsika eto Madagasikara, hoy izy, indrindra nony betsaka ny kiana azo. Efa misy trano mpamokatra goavana miara-miasa amin’ny antsika malagasy ankehitriny ary matoa ireny resy lahatra dia mahita izay fivoarana izay. Ao anatin’ny fanodinana ny sarimihetsika mitondra ny lohateny hoe « Ikala pam’s 3 » ankehitriny ity mpanakanto ity. Vokatra izay iarahana amin’ny Avoko Production ary tohin’ny tantarana mpamosavy hita tao anatin’ny andiany 2 voalohany tamin’ny taona lasa izany, hoy ny fanazavany, ary maharitra ora iray sasany.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT