Sosialy

Saram-pitsaboana sy fanafody lafo Maty izay marary tsy manam-bola


  • Talata 28 Mey 2019

Mbola olana goavana eto amintsika amin’izao ny resaka fitsaboan-tena, indrindra fa ho an’ny vahoaka madinika. Saika mamoy ny ainy avokoa mantsy ny ankamaroan’ireo tsy manana fahafahana ny hodidianana any am-pitandranomasina na hividy fanafody raha tsy manao tolo-tanana.

 

 

 

 Voakasik’izany manokana ireo tratry ny aretina homamiadana, ny aretin’ny voa, ny AVC efa lasa lavitra…. Amin’ny ankapobeny mantsy ho an’ity aretina farany dia handaniana 5 tapitrisa Ar raha kely ny mandidy olona iray atsy amin’ny Nosy rahavavy La Réunion ankoatra ny fanafody raha te-ho sitrana. Ho an’ny aretin’ny voa kosa indray dia mahatratra 250.000 Ar isan-kerinandro ny vola  ilaina amin’ny fanaovana dyalise raha mbola eo an-tanindrazana raha 6 hetsy Ar kosa no  vidin’ilay tsindrona kely iray fanao isam-bolana raha tsy te-hanolo ilay rà ( dialyse). Tsy lazaina intsony ny saran’ilay fanaovana grefy ny voa izay any amin’ireo firenen-dehibe toa an’i Frantsa na Inde no afaka manao azy izay handaniana hatrany amin’ny 40 tapitrisa Ar raha kely ho an’ny marary iray. Anisan’ny maika sy tokony hataon’ny fanjakana vain-dohan-draharaha araka izany ny mikasika ny fitsaboana eto amintsika izay tena hiankinan’ny aina tokoa fa tsy variana amin-java-kafa fotsiny.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT