Sosialy

Saram-pisoratana - EPP Ilay 4.000 na 5.000 Ar isaky ny ankizy no nofoanana


  • Alarobia 06 Novambra 2019

Niteraka resabe teto amintsika mihitsy efa ho tapa-bolana izao ny fisian’ilay fanambarana nataon’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Rtoa Volahaingo Marie Therese

 

 

 

 

 

  mikasika ny tsy fisian’ny saram-pisoratana anarana eny anivon’ny  EPP intsony ho an’ireo mampiana-janaka any amin’ny sekolim-panjakana. Mbola nanamafy izany indray ity minisitra ity omaly ka notsindriany tsara fa ilay 4.000 na 5.000 Ar isaky ny ankizy mpianatra no nofoanan’ny fanjakana, izany hoe ilay hividianan’ny sekoly tsaoka. Ny fanjakana no handoa izany eny anivon’ny EPP tsirairay avy, hoy izy amin’ny alalan’ny “caisse ecole”.  Tsy hidiran’ny fanjakana  amin’ny alalan’ny minisitera kosa ny fisian’ireo karazana latsakemboka tsy maintsy aloan’ny ray aman-dreny entina hanasoavana ny sekoly misy ny menaky ny ainy toy ny karaman’ireo mpampianatra FRAM, ohatra, ny karaman’ireo mpahandro sakafo ho an’ireo manana cantine….. Miankina amin’ny sekoly tsirairay avy sy ny ray aman-dreny ny fanapahana izany, hoy hatrany ny minisitra raha ny FEFI kosa no mpandrindra.

 

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT