SARAM-PIANARANA JANOARY

Vao ny 10%-n’ny Ray aman-dReny no nahefa


  • Alatsinainy 15 Janoary 2024

Herinandro mahery teo izay no niverina niditra an-tsekoly ireo mpianatra rehetra

manerana ny Nosy hiatrika ny roa volana fahatelo. Tafiditra tanteraka tao anatin’ny fotoana fandoavana saram-pianarana volana Janoary ny ankamaroany no niditra izay zary lasa olana goavan’ireo sekoly tsy miankina. Tena mafy mantsy ny mahazo ireto farany amin’ny fitakiana izany saram-pianarana izany. Ho an’ny sekoly tsy miankina maromaro eto an-drenivohitra nanaovana fanadihadiana dia vao ny 10%-n’ireo Ray aman-dReny hatramin’ny faran’ny herinandro teo no nahavita nandoa ny saram-pianaran-janany. Ny ankoatra izay hoy ny talen-tsekoly iray dia mbola tsy nisy nandrenesam-baovao fa mbola mihenahena avokoa. Milaza ho lany vola tamin’ny fety avokoa ny ankamaroany nefa ny fampandehanan-draharaha ao an-tsekoly ihany koa tsy maintsy hatrehina hoy hatrany ity talen-tsekoly iray ity. Manahy mafy ny tsy handoavan’ireo Ray aman-dReny sasany saram-pianarana araka izany ity talen-tsekoly iray ity raha tsy amin’ny volana Febroary. Betsaka ireo manao izany hoy hatrany izy raha misy tonga hatrany amin’ny volana Martsa mihitsy ny an’ny sasany. Nomarihiny moa fa rehefa tena tsy mahalala ny hataony ny Ray aman-dReny, sady tsy manatona no mody fanina, dia tsy maintsy handefa mpianatra hody amin’izay izy ireo manomboka amin’ity herinandro ity.
Pati
Legende : Ireo mahaloa saram-pianarana sisa no tonga mianatra tahaka izao !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT