Sosialy

Santa-bary santa-bokatra andiany faha-10 Velom-panantenana ny tantsaha


  • Sabotsy 23 Jona 2018

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly tetsy amin’ny tsenan’ny tantsaha Talatamaty ny hetsika santa-bary santa-bokatra andiany fahafolo.

Miompana amin’ny varotra fampiratiana momban’ny fiompiana sy fambolena ary asa tanana ny hetsika. Toerana izay nohavaozina ary hotokanana aoriana kely no nanaovana ny fampiratiana. Mahavelom-bolo ny tantsaha izao hetsika sy toerana vaovao izao satria amin’ny sehatra tahaka itony no tena mba ahafahany mampiseho ireo vokatra rehetra misy. Nanampy ny tantsaha tamin’ity hetsika ity ny kaominina izay nanolotra masom-boly, zezika ary fitaovana maro samihafa mba hanatsarana ny kalitaon’ny vokatry ny tantsaha. Misy ihany koa ireo teknisiana manokana nanampy sy nanoro ny tantsaha mba hanaraka ny fenitra sy ny fandrosoana misy. Nanampy tamin’ny fanatsarana ny toerana kosa ny vondrona eoropeana tamin’ilay tetikasa Propafan ka tsy miaina ao anaty fotaka sy fako intsony ireo tantsaha rehefa amin’ny tsena maraina. Ilaina ny hetsika tahaka itony satria manome vahana ny tantsaha Malagasy izay tena maro an’isa. Mbola mitohy anio moa ny varotra fampiratiana.

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT