Sosialy

Sampona - Amboasary Atsimo Vidiana 2 000 ariary ny rano iray « bidon »


  • Talata 10 Novambra 2020

Rano avy any Mandrare Amboasary no misy mivarotra any Kaominina Ambanivohitra Sampona, Distrikan'i Amboasary Atsimo, satria tena mijaly rano ny any an-toerana,

 

 

 

 araka ny nambaran’i, Tsimiandroky Belin solontenan’ny vovonam-pirenena HINA any amin’ny Faritra Anôsy. Rano tsy mandalo fanadiovana akory izany, satria alaina eny amin’ny renirano, nefa dia amidy 2 000 ariary ny rano iray « bidon » 20 litatra. Antony mitarika Kere any an-toerana izany, satria lafo loatra ka tsy maintsy tsitsiana hosotroina fotsiny. Tsy afaka mamboly ny mponina, araka izany, no sady tsy afaka midio ihany koa. Raha te hanasa lamba moa dia mamonjy ranomasina, izay any amin’ny 7 kilometre miala ny tanana. Ny tena mampalahelo, hoy hatrany i Tsimiandroky Belin, dia efa nisy ny « pipeline » nisitomana rano mankany, fotodrafitrasa natomboka tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina, saingy tsy notohizan'ny Fanjakana ankehitriny izany. Mitaraina, vokatr’izany ny mponina any amin'iny faritra iny, satria ny rano no aina.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT