Sosialy

Sampandraharahan’ny fananantany Tsy handefitra amin’ny resaka kolikoly intsony


  • Alakamisy 18 Oktobra 2018

Anisan’ny ivontoerana iray voafaritra ho be kolikoly indrindra ny eo anivon’ny sampandraharahan’ny fananantany na ny “domaine”.

 

  Ny resaka boky rovitra sy ny fampiasam-bola amin’ny fikarakarana ny antontan-taratasy no nambaran’Atoa Rasolomampionona Hasimpirenena, Tale jeneralin’ny fananantany ho tena ahitana izany betsaka. Ho an’itsy voalohany dia  misy hatrany ny taratasy mivoaka izay tsy fanta-piaviana  kanefa ilay boky mihitsy no rovitra ka tsy hahafahan’ny sampandraharahan’ny fananantany mamoaka ilay antontan-taratasy ilaina. Ho an’ny fikarakarana antontan-taratasy indray dia misy hatrany ireo olona mampiasa vola mba hahavitany haingana ao anatin’ny fotoana fohy, hoy izy. Tsy handefitra amin’ireo karazana tranga ireo intsony manomboka izao ity tale jeneralin’ny fananantany ity.  Nisy omaly ny  sonia fifanekem-piaraha-miasa notanterahin’izy ireo niaraka tamin’ny  Birao Mahaleotena Miady amin’ny Kolikoly ( BIANCO) sy ny Transparency International (TI-IM),  hahafahana manatanteraka ny ainga.  Ho an’ny birao malahaleotena iadiana amin’ny kolikoly manokana moa dia nomarihin’ny tale jeneraliny Atoa Andriamifidy Jean Louis fa  fitarainana roa no efa voarain’izy ireo hatreto mikasika ny tany iray manana “titre” roa samy hafa.

Pati/ Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT