Sosialy

Sampandraharahan’ny Fananantany Hampahafantantra ny tanim-panjakana azo amidy


  • Zoma 12 Jolay 2019

Hanatanteraka varavarana misokatra ny zoma 26 jolay ho avy izao ny sampandraharahan’ny fananantany eto Antananarivo Renivohitra.

 

 

 

 Tanim-panjakana tsy azo amidy, tanim-panjakana azo amidy, tanin’olon-tsotra vita titra, tanin’olon-tsotra tsy vita titra ary ny tany manana sata no hanaovana famelabelaran-kevitra. Maro tokoa ireo Malagasy tsy mahalala mahakasika ny lalàna momba ny famarotana tany sy ny manodidina azy. Porofon’izany ireo raharaha faharoa betsaka indrindra eo anivon`ny Fitsarana dia mahakasika ny fananan-tany. Eo ihany koa ireo dôsie maro mahakasika ny fandikan-dalàna amin’ny resaka famarotana tany… Lohahevitra mifanaraka amin’izany indrindra no hovelabelarina dia ny momba ny “Tanim-panjakana azo amidy”. Hotanterahina etsy amin’ny ivontoerana farim-piadidian’ny fananantany Antananarivo Renivohitra izay hanasana ny rehetra. Manan-danja betsaka ho antsika Malagasy tokoa ny tany ary tena ilaina ny fahafantarana mahakasika izany.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT