Sosialy

Sampandraharaha iraisam-pirenena momba ny asa Hijery ireo fomba ho enti-manatsara ny tontolon’ny asa eto


  • Talata 08 Novambra 2022

Sambany no hikarakara ilay Business forum voalohany momba ny tontolon’ny asa eto amintsika ny sampandraharaha iraisam-pirenenena momba ny asa na ny OIT.

Ny 10 sy 11 novambra ho avy no hanatanterahany izany eny amin’ny Novotel Alarobia izay arahina ady hevitra. Hiompana amina tetikasa miisa efatra io business forum io. Anisan’ireny ny « Better Work » (OIT-IFC), ny « Fonds Vision Zéro (VZF) », ny « Trade for Decent Work (T4DW) » ary ny « Chaînes d’approvisionnement durables pour mieux reconstruire (SSCBFB) ». Ho voakasik’ireo tetikasa ireo avokoa ny sehatra maro mamelona ankohonana eto amintsika toy ny tontolon’ny zaitra sy ny fitafiana, ny asa fanamboaran-trano, ny fambolena….izay arahina fifanakalozana iraisam-pirenena mihitsy hahafahana manitatra ny fiaraha-miasa. Tanjona ny hisian’ny fanatsarana ny tontolon’ny asa eto amintsika mba hisy fiantraikany amin’ny resaka fitantanana sy ny sosialim-bahoaka izany raha eo ihany koa ny fitandroana ny tontolo iainana. Ho an’ireo orinasa manondrana entana mankany ivelany ohatra dia ezahina ny hahatonga azy ireny ho avokavoka afaka hamorona orinasa vaovao indray sy ho mpamokatra, hotohanan’ny sampandraharaha iraisam-pirenena momba ny asa. Tsiahivina moa fa hisy ny fahafahan’ireo mpandray anjara rehetra manolotra soso-kevitra sy mampahafantatra ny fomba fijeriny momba ny tontolon’ny asa eto amintsika mandritra izany. Anisan’ireny ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny governemanta, ny mpanohana ara-tsosialy, ireo avy amin’ny sehatra tsy miankina, ireo solontenan’ny sehatra iraisam-pirenena, ireo mpanohana ara-bola sy ara-teknika, ny mpikirakira vaovao.
Pati
Legende : Hohatsaraina ny tontolon’ny asa eto amintsika hanatsarana ny fari-piainan’ny isan-tokantrano
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT