Sosialy

Sampana mpamonjy voinan’ny CUA Manao fanentanana ara-pahadiovana


  • Talata 27 Aogositra 2019

Ao anatin’ny ezaka fankalazana ny faha-70 taona niorenany ny vondrona mpamonjy voinan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) amin’izao fotoana ka hetsika maro no notanterahina.

 

 Ny sabotsy 24 aogositra 2019 dia natomboka maraina vao mangiran-dratsy izany, tamin’ny famohaza-mandry, na « caravane », izay nataon’ny fiara be mpamonjy voina nihodina ny tanàna, narahana hazakazaka mba hampahafantarana ny mponina, fa misy mpamonjy voina miaro sy mitsinjo izy ireo isan’andro isan’ora. Nanadio tamin’ny alalan’ny rano sy kifafa ny faritra Tsaralalàna sy Analakely ihany koa ireo mpamonjy voina ary nanome dabam-pako ho an’ireo fiara mpitatitra miditra eto an-drenivohitra. Izany no natao dia ny tsy anarinarian’ireo mpanjifa ny fakony etsy sy eroa intsony satria Antananarivo no renivohitr’i Madagasikara, ka tokony hatao fitaratra. Nofaranana tamin’ny fanabeazana ny mponina ny hetsika, mba hikajiany sy hitandroany mandrakariva ny fahadiovana, ka ho tanàna madio sy milamina ary maha te honina Anatananarivo Renivohitra, araka ny vinan-dRamatoa Ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT