Sosialy

Sampana mpamonjy voina Tsaralalana Ho afaka hiditra amin’ny toerana saro-dalana amin’izay


  • Sabotsy 29 Septambra 2018

Ho afaka hiasa any amin’ireo toerana saro-dalana amin’izay manomboka izao ny mpamonjy voina eto Antananarivo Renivohitra.

 Nanome fitaovana  maoderina mahavita izany asa sarotra izany ho azy ireo mantsy omaly ireo  olona tsara sitrapo malala-tanana avy amin’ny fianakaviana  Razakarivony  sy ny  orinasa  Madecasse, ao anatin’ny  fikambanana  Phénix.  Fitaovana maro ahafahana  manatsara  ny  asa  vonjy  taitra  ho an’ny mponina  no  maro ao anatin’izany. Anisan’ireny  ny  fisintonana rano  raha sendra misy ny tondra-drano  izay  mahavita  mitroka  rano   6.000 litatra isaky ny iray minitra. Azo entina any  an’elakelan-trano saro-dalana io fitaovana io.  Eo ihany koa  ny kojakoja maro  ampiasaina  amin’ny famonjena voina .  Ireo mpamonjy voina ihany koa teo  an-daniny, nahazo fitaovana  ampiasaina  amin’ny asany  sy ahafahany miaro ny tenany . Na dia sarotra aza  ny lalana nitondràna  ny fitaovana  teto an-tanindrazana   dia tsy nikely soroka  ireo mpanome  fa tonga teto Antananarivo renivohitra ireo fitaovana ireo. Nisolo tena  ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana  nandritra  ny lanonana  fanolorana izany omaly   ny  lefitra  voalohan’ny Ben’ny tanàna, kolonely Ramboasalama Emilien,  ny filohan’ny filan-kevitry  ny tanàna,ny kolonely  Faustin Andriambahoaka sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky.

Pati

 

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT