Sosialy

Sampana mpamonjy voina Miatrika asa maro noho ny rotsak’orana


  • Talata 15 Janoary 2019

Maromaro sahady ireo tranga nosahanin’ny sampana mpamonjy voina etsy Tsaralalana tao anatin’ny dimy andro izao, fotoana nirotsahan’ny ranon’orana tsy an-kiato teto an-drenivohitra.

 

 

Lalana mihotsaka etsy Antsahabe ny iray  miampy ilay hazo lehibe iray izay ahiana hianjera amin’ireo trano eny an-toerana. Efa nanomboka omaly ny fikapakana io hazo io, raha araka ny fanazavan’ny kaomanda Randrianarisoa. Ankoatra ireto farany dia trano miisa dimy ihany koa no lasibatra ka ny  roa  tamin’ireo dia ny teny Tsaralalana sy Ambohimanarina no tsy maintsy nitsofohan’ny sampana mpamonjy voina ny nandrava izany  raha ny tompony kosa no niandraikitra ny fandrodanana ireo trano telo ambiny. Na izany aza tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy. Ankoatra ireto tranga ireo moa dia tranga roa ihany koa no nahazoan’ny sampana mpamonjy voina fitarainana omaly maraina  ka efa nanomboka tamin’ny fanadihadiana izany izy ireo. Nomarihin’ny kaomanda Randrianarisoa moa fa tsy manana fitaovana raitra be hanaovana asa famonjena izy ireo saingy tsy maintsy miezaka manao izay vitany kosa. Toraka izany koa ny arak’olona, izay nomarihiny manokana  fa tena vitsy dia vitsy tokoa. Miantso hatrany ny rehetra mba hiantso ny laharana maitso 118 araka izany ny sampana mpamonjy voina mba hampandre azy ireo raha vantany vao misy tranga hafahafa.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT