Sosialy

Sampana mpamonjy voina Miantso ny olona ho mailo manoloana ny hain-trano


  • Alakamisy 03 Janoary 2019

Saika ahitana hain-trano hatrany isan’andro eto an-drenivohitra amin’izao.

 

 

Tamin’ny talata lasa teo, ohatra, fotoana nankalazana ny taom-baovao 2019 dia tokantrano iray no lasibatra teny 67 ha ka voatery niantsoana mpamonjy voina. Tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy. Miantso ny olona ho mailo hatrany ny sampana mpamonjy voina etsy Tsaralalana. Ny fotoanan’ny hafanana tahaka izao mantsy raha ny nambaran’izy ireo no tena mampahazo vahana ny afo ka tsy tokony hatao ambanin-javatra. Vonoina hatrany ireo ambin-tsaribao mbola mirehitra ao anaty fatapera amin’ny alina, tandremana tsara ihany koa ny fampiasana ny labozia sy ny jirona solintany. Ho an’ireo tranga hita fa tsy voafehy kosa na kely aza dia miantso ny rehetra mba hiantso ny laharana maitso 118 ny sampana mpamonjy voina. Ankoatra ity hain-trano tetsy 67 ha ity moa dia olona iray nianjera teny amin’ny arabe ihany koa no nanaovan’ny sampana mpamonjy voina asam-pamonjena ny talata lasa teo ary naterina teny amin’ny hopitaly. Fiarabe mpamono afo miisa telo izy ireo no indray niandry raharaha ny talata teo, tetsy Tsaralalana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT