Sosialy

Sambava Tafakatra 8.000Ar ny litatry ny lasantsy


  • Alakamisy 18 Jolay 2019

Midangana avo roa heny amin’ny vidiny ara-dalàna ny vidin-tsolika any Sambava amin’izao fotoana.

Tafakatra 8000Ar mantsy ny litatra, raha ny vaovao avy any an-toerana. Tsy ny lasantsy no tsy misy fa ny tahiry ao amin'ny "Station" ihany no ritra, satria miparitaka amin'ny mpitsinjara ny solika.  Ny famenoana zerikana no vaindohan-draharaha eny amin'ny toby mpaninjara solika ka sahirana ny fiara. Lasa feno mpivarotra lasantsy maka tombony avokoa eny anelanelan-trano rehetra eny ka samy manao izay saim-pantany ny mpivarotra antsinjarany. Nanomboka teo amin'ny 7.000Ar ny lasantsy io marainan'ny ny talata 16 jolay, ary niakatra 8.000 Ar omaly tolakandro ihany. Ny fiarakaretsaka na “taxi-ville” nampakatra ny saran-dalana avo roa heny ka lasa 2000Ar raha 1000Ar teo aloha. Mikorontana tanteraka, araka izany, ny fiainan'ny mponina, ary voatery nametrahana polisy eny amin'ny tobin-tsolika na tsy mbola misy solika aza, mba hisorohana ny loza.

 

Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT