Sosialy

Sambava Nitokona ny mpivarotra


  • Alatsinainy 05 Oktobra 2020

Raikitra ny diabe sy sy feno horakoraka nilaza ny tao am-pony ary filanjàna sora-baventy nataon` ireo mpivarotra ao Ambodisatrana Manainga Zipo - Sambava ny faran`ny herinandro lasa teo.

 

 Manohitra ny fanapahan-kevitry ny Kaominina any an-toerana amin` ny famindrana azy ireo ary mitaky ny hamelana azy ireo hiverina manamorona ny kianja. Tonga teny an-toerana kosa iroe mpitandro filaminana mba hisorohana izay mety ho fihoaram-pefy ihany koa. Tonga nijery ifotony ny zava-misy ihany koa ny solombavambahoaka voafidy tao Sambava, Ramilison Ange Richard, ka nanambara fa mila samy mitandrina ny tsy hisian'ny fanimban-javatra fa atao am-pilaminana ny fitokonana. Raha tsiahivina dia leo amin` ny famindrana an` ireo mpivarotra in-telo miantoana izy ireo ka izao tonga hatramin` ny fitokonana izao.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT