Sosialy

« Salon du bien-être » eny Mahamasina Isarihana ireo te hahay hikolo vatana


  • Zoma 03 Mey 2019

Tanterahina nanomboka omaly etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina haharitra efatra andro ilay hetsika « Salon du bien-être et de developpement personnel » karakarain’ny A&M Group.

 

 

 Hetsika ara-pahasalamana natao hampivoarana ny maha olona izy io raha tsiahivina ka saika hita ao anatin’ireo tranoheva 30 mandray anjara eny an-toerana avokoa ireo karazana fitsaboana mampiasa ireo akora natoraly mampiavaka antsika eto Madagasikara ankoatra ny torohevitra maro samihafa toy ny fampianarana ny olona handrafitra « lettre de motivation » sy CV hisarihana ny mpampiasa. Fa tsy latsa-danja amin’ireo ny resaka kolo vatana izay zary hataontsika Malagasy sasany ambanin-javatra ankehitriny nefa mampiseho ny maha izy azy ny tena ihany koa. Ireo tanora malagasy latsaky ny 40 taona, hatrany amin’ny 70 % no ezahina hahazo tombontsoa avy amin’izany arahin’ny fanabeazana maro samihafa, raha araka ny fanazavan-dRtoa Masy Anglade, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny A&M  Group. Ankoatra izay moa dia hisy ihany koa ny fitiliana maimaimpoana ireo karazan’aretina mety mahazo ny reny sy ny zaza, ny diabeta… izay tena manahirana ny ankamaroan’ny olona ankehitriny tokoa. 3.000 Ar vidim-pidirana, tsy mandoa kosa ireo ankizy latsaky ny folo taona.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT