Sosialy

Salon des Etudes Internationales Fianarana any Etazonia sy Frantsa no tena manintona ireo tanora


  • Zoma 06 Martsa 2020

Taorian’ny fanampiana ireo tanora afa-panadinana Bakalôrea maniry ny hanohy fianarana amin’ireo sekoly ambony azo antoka eto an-tanindrazana dia manampy ireo tanora maniry hanohy fianarana any ivelany indray ny Madajeune.

 

 

 Eny  amin’ny Novotel convention Ivandry  indray izy ireo nanomboka omaly, mikarakara ilay “Salon des études Internationales” andiany faha-11, efa nahafantarana azy ireo hatramin’izay.  Tranoheva manodidina ny 18 isa ahitana ireo sekoly ambony avy atsy amin’ny Nosy rahavavy  Maorisy,  Etazonia,  Canada , Inde…. no mandray anjara amin’izany,  manana tanjona hanohana ireo tanora manam-piniavana mba hananan’izy ireny ho avy azo antoka sy mamiratra. Misy amin’ireo oniversite izay mandray anjara koa anefa no fantatra fa manana fiaraha-miasa amin’ireo sekoly ambony any ivelany koa na eto an-tanindrazana ihany aza no manohy ny fianarany ny  tanora iray  dia manan-kery ary manan-danja mitovy amin’ireo omen’ny fianarana any ivelany ny diplaoma azony. Anio zoma moa no hifarana amim-pomba ofisialy izany ka tanora an’arivony no ezahina hahazo tombontsoa. Amin’ny ankapobeny moa dia ny hanohy fianarana any Frantsa sy Etazonia no tena mahaliana ireo tanora Malagasy. Samy hafa ny vola omanina sy ilaina amin’izany miankina amin’ilay firenena safidiana.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT