Mitombo isa hatrany ireo “salon de massage” eto amintsika, indrindra fa ny eto an-drenivohitra.
Misy amin’izy ireny no tena manao ny asany tokoa raha araka ny fanadihadiana natao ary tsy mampiasa tovovavy fa lehilahy avokoa no manao ny asa. Manotra amin’ny alalan’ireo karazana krema vita amin’ny zava-maniry izy ireny izay manasitrana aretina maro ka 15.000 Ar isaky ny miotra ny vola aloha. Eo an-danin’izay koa anefa dia misy amin’izy ireny no mampivaro-tena ireo ankizivavy mpanotra mihitsy, antony mahatonga ny sasany hifantina ireo tovovavy 18 ka hatramin’ny 25 taona, tsara tarehy, lava volo, bikana raha misy miandrandra ny fahaizana teny vahiny mihitsy ny sasany. Raha araka ny fijoroana vavolombelona nataona tovovavy iray efa nanao ity asa ity dia efa misy mpanjifa mihitsy mifanaraka amin’ireny salon de massage ireny. Miovaova izy ireny ary tsy mijanona amina tovovavy iray miankina amin’ny filàny ka manomboka amin’ny otra ny fiarahana. Miezaka ny miangola sy manao izay fihetsika rehetra manaitra ilay mpanjifa ilay tovovavy mandritra izany ka manomboka amin’ny 20.000 Ar isaky ny mandeha ny vola azony amin’izany, miaraka mandritra ny ora roa eo ho eo. Nambaran’ity tovovavy ity moa fa rehefa tena havanana tsara amin’ilay asa ny tovovavy iray vao resahin’ny tompon’ilay salon amin’io fivarotan-tena an-kolaka io ka misy ireo manaiky raha misy ihany koa ireo tsy manaiky. Amin’ny ankapobeny kosa dia miankina amin’ny asa vitan’izy ireny ny vola raisiny isam-bolana ka misy mihitsy ireo miasa andro sy alina.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.