Sosialy

Salon de la créativité Voatra Hampiroboroboana ny vita Malagasy


  • Alatsinainy 21 Oktobra 2019

Ho fampandrosoana ny eny ifotony sy ny faritra dia hisy ny hetsika « salon de la créativité voatra » andiany faha-6 izay hotanterahina etsy amin’ny zaridaina Anosy ny Alakamisy 24 hatramin’ny Sabotsy 26 Oktobra ho avy izao.

 

Tanjona ihany koa ny hampisehoana ny vokatra any amin’ny tontolo ambanivohitra ary indrindra ny hanasongadinana ny vita Malagasy sy ny sehatra tsy miankina. Ny Tranoben’ny Varotra sy ny Indostria hatrany no mikarakara ity hetsika ity nanomboka ny taona 2013 ary ahian’ny Ministeran’ny Indostria, ny Ministeran’ny Toekarena ary ny Ministeran’ny Fambolena. Ho hita amin’ity hetsika fampiratiana ity avokoa ireo orinasa madinika any ambanivohitra (micros et petites entreprises rurales) sy ireo salantsalany sy vaventy eto amin’ny faritra Analamanga ahitana distrika miisa 8. Ny fandaharan’asa PROSPERER no mpiara-miombon’antoka ara-teknika ary ankoatran’ny fampiratiana dia hisy ny atrikasa sy fampiofanana ary ireo famelabelaran-kevitra maro samihafa. Ilaina hatrany ny fisian’ny hetsika fampivoarana sy fampiroboroboana ny Vita Malagasy sahala amin’itony ary tsy tokony atao fahazarana fotsiny fa hanosehana tanteraka ny Orinasa Malagasy mba hisy akony amin’ny toekarem-pirenena.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT