Sosialy

Sakoroka be teny Ambatofotsy Fiara Peugeot 405 tratra nanary fatin’olona


  • Alatsinainy 31 Janoary 2022

Nisy toe-javatra hafahafa niseho teny Ambatofotsy amin’iny làlam-pirenena faha-7 iny omaly alahady 30 janoary 2022 tokony ho tamin’ny 4ora sy sasany.

Ambatofotsy moa dia marihina isan’ny toerana fambolena voninkazo amidy amidy eo Anosy ireny. Fiara Peugeot 405 iray no hitan’ny mpaka vilona teny an-toerana io omaly takariva io. Nanary lehilahy iray izay efa nihosin-drà ary ny lohany no tena voa tamin’izany, raha ny fampitam-baovao vonjimaika. Gaga ireto mpaka vilona ka niantso vonjeo, poa toy izay dia vory ny olona ary tonga dia tsy nisy ny fanadihadiana, fa niainga ny fitsaram-bahoaka. Tonga ny mpitandro ny filaminana teny an-toerana ary hita fa somary henjana sy mahery vaika ny hatezeram-bahoaka ka tsy maintsy niantso mpanampy na “renfort” avy ao Andoharanofotsy sy ny ESI Tana ville, nampandry ny filaminana. Na izany aza anefa dia nodoran’ny vahoaka ny fiara P 405 izay nentin’ilay lehilahy iray nanary fatin’olona ity. Mahalasa ny saina ny maro ny zava-misy sy hita maso satria raha jerena ny vatana dia tena kely ity nitondra fiara noho ilay olona maty, saika nariana tany anaty rano no hitan’ny mpaka vilona. Nisy ny fifandonana teo amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny vahoaka satria dia nandeha ny tora-bato, raha toa ka niezaka nandamina hatrany ny andaniny. Nalefa avy hatrany eny amin’ny Tobin’ny zandary eny Ankadilalana ity lehilahy iray nitondra ny fiara 405, notazonina vonjy maika sy hanatao fanadihadiana momba ny zava-nisy, ary niverina tamin’ny laoniny koa ny filaminana teny an-toerana vao niala ireto mpitandro ny filaminana. Nandeha be moa ny resaka ary hendratredratra ny olona fa hoe mpaka taova . Raha ny vaovao vonjimaika azo kosa, dia tsy resaka halatra taova fa mpividy fiara saika hividy ilay fiara no novonoin’ilay iray, ary saika hariany no tratra. Voalaza fa mbola tratra tao anaty fiara ny antsy feno ra sy ny vola saika hividianana ilay fiara. Ny fanadihadian’ny manampahefana ihany no hamaritra ny tena zava-misy marina momba ity raharaha ity. Nisahotaka aok’izany ny olona teny Ambatofotsy io omaly io, ka namotika sy nandoro mihitsy ilay fiara.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT