SAKAFO NANDRITRA NY FETY

Tafakatra 20.000 Ar ny kilaon’ny akoho fakana nofony


  • Talata 26 Desambra 2023

Saika nanararaotra avokoa ny ankamaroan’ireo mpivarotra omaly Alatsinainy 25 Desambra,

fetin’ny Krismasy, fotoana mba nanaovan’ny isam-pianakaviana sakafo miavaka kely. Voakasik’izany manokana ireo karazana kojakoja ilaina amin’ny sakafo fanokafam-bavony raha toraka izany ihany koa ny laoka. Ho an’ny sardine ohatra dia tafakatra 5.000 Ar ny iray boaty omaly. Tafakatra hatramin’ny 800 Ar ihany koa ny iray amin’ny atody raha niakatra ho 20.000 Ar ny iray kilao amin’ny akoho fakana nofony. Tsy lazaina intsony ny fidangan’ny vidin’ireo kojakoja fanaovana laglasy sy mofomamy toy ny siramamy, ny crème likida….Raha fehezina dia nikaikaika avokoa ny ankamaroan’ny mpanjifa nanoloana izany. Fotoan-dehibe iray hankakazaina isan-taona anefa ny fetin’ny Noely ka samy miezaka nandamina izay teo am-pelatanany ny rehetra. Nambaran’ireo mpivarotra moa fa mbola hitohy hatramin’ny faran’ny taona sy ny taona vaovao izany fidangan’ny vidin’entana izany ka tokony samy hiomana amin’izany avokoa ny rehetra.
Pati
Legende : Midangana hatrany ny vidin’ny akoho fakana nofony rehefa fety tahaka izao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT