Sosialy

Sakafo miditra sy mivoaka an’i Madagasikara Nohenjanina ny fanaraha-maso


  • Zoma 19 Janoary 2018

Arahi-maso akaiky ireo karazan-tsakafo miditra sy mivoaka eto amintsika manomboka izao. Anisan’ny nisantaran’ny fitondram-panjakana izany ny fanakanana ireo ronono karazany roa ho an’ny ankizy izay efa tsy azo amidy eto amintsika intsony,

hoy Ratombozafy Eden, talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny varotra, omaly. Tsy hijanona hatreo ny asa fa hisy  ihany koa ny fijerena ireo karazan-tsakafo haondrantsika mankany ivelany mba hifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena ka tsy handiso fanantenana sy hamono antoka ireo  mpamokatra eto amintsika. Toraka izany koa ireo karazan’entana avy any ivelany izay efa misy lany daty ny sasany nefa miparitaka eny an-tsena. Nisy omaly ny atrikasa niarahan’ny firenena mikambana misahana ny sakafo (FAO) sy ireo mpanao lalàna eto amintsika, notronin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny sekoly ambony hahafahana mandresy lahatra ny mpitondra sy ny mpanapa-kevitra mikasika ny tokony hampiharana ny fenitry ny sakafo sy ny fahadiovany, hahafahan’ny vahoaka mamokatra  araka ny tokony ho izy. Ho an’ireo mpizaika manokana dia fantatra fa vonona ny handray ny andraikitra tandrify azy izy ireo ka ilay “code alimentaire” mihitsy no takiana ny fampiharana azy amin’ny alalan’ny CNCA na ny komitim-pirenena misahana azy izay  efa napetraka teto amintsika nanomboka ny taona 2006. Misy amin’ireo lalàna momba ny sakafo eto amintsika no efa lany andro, ka ilana fanovana, hoy kosa ireo parlemantera.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT