Sosialy

Sakafo miditra eto Madagasikara Misy manala ny otrikainy


  • Alakamisy 28 Martsa 2019

Notanterahana omaly tetsy amin’ny Carlton Anosy ny atrikasa momba ny fanjarian-tsakafo eto Madagasikara izay nandraisana sehatra iraisam-pirenena maromaro miantsehatra amin’izany toy ny ONN, PAM, BASF.

 

Isan’ny olana ho an’ireo firenena an-dalam-pandrosoana toa antsika tokoa, raha ny fanazavana, ny tsy fahaizana mandanja ny sakafo ho anintsika indrindra ny mikasika izay otrikaina miditra amin’ny vatantsika izay. Ao anatin’ireo karazan-tsakafo toy ny vary sy lafarinina moa no tena mora ahafahana mampiditra izay otrikaina izay ary isan’ny sedra lalovan’ireo sakafo miditra eto Madagasikara anefa dia misy manala ny otrikaina ao anatin’izy ireny rehefa tonga eto. Mora anefa, hoy hatrany ny fanazavana, ny vidin’ny otrikaina satria ny vitamine A izay tena ilaina amin’ny fahasalaman’ny zanak’olombelona indrindra, ohatra, dia 7 ariary monja ny 1 tavoahangy. Mahatratra 47% moa ny tahan’izay tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara izay ary ny mahatratra 45,5%n’ireo zaza latsaky ny 5 taona no mbola miaina izany ary faha 4 amin’ireo firenena miaina tsy fanjarian-tsakafo isika. Tanjona ny hanena ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo eto amintsika ho 35% amin’ny taona 2021, raha ny voalaza hatrany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT