Sosialy

Sakafo masaka hamidy eny amoron-dalana Tsy maintsy atao anaty “Vitrine”


  • Talata 12 Jona 2018

Anisan’ny mandeha indrindra ny varotra hani-masaka amin’izao eto an-drenivohitra.

 Ankoatra ny mofogasy sy ny kafé ary composé sy ny lasopy dia tena be mpihinana ihany koa ny vary izay manomboka amin’ny 1.000 Ar dia efa mahazo iray lovia miaraka amin’ny laoka. Tokony hanara-penitra sy manaraka ny kalitao takiana anefa izy ireny, raha ny fanadihadiana natao teo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka.  Na dia volo iray aza mantsy tafiditra anaty sakafo masaka dia efa mikraoba marobe no entiny sy haparitany any anaty vatana ka miteraka aretina marobe ihany koa. Anisan’ny antony nanomezan’ity minisitera iray ity fiofanana ireo mpivarotra hani-masaka eny anivon’ny Boriborintany izany. Noteneniny fa mila atao anaty vitrine hatrany ny hani-masaka hamidy eny an-tsena. Mampiasa savony sy rano madio hatrany ihany koa ny mpivarotra hanasana ny lovia sy ny sotro ary ny kaopy hifandimbiasan’ny olona ankoatra ireo  kipitsony tokony hotandremana rehefa mahandro sakafo. Ankoatra izay, sakafo be otrikaina no hatolotra ny mpanjifa sady madio. Ny vary tsy tokony hisy karibônetra amin’izao andro mangatsiaka izao fa tena mankarary vavony. Tsy mihinana sakafo be menaka loatra ihany koa na dia ilaina aza ny menaka fa atao amin’ny antonony miaraka amin’ny voankazo sy ny legioma ary ny rano. Nomarihiny fa na mila sakafo be aza ny vatana rehefa mangatsiaka tahaka izao dia ilana fandanjalanjana  ny fihinanana azy ireny sy ny fisafidianana ny toerana hihinanana hitandroana ny fahasalamana.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT