Sosialy

Sakafo maimaimpoana ho an’ny mpianatry ny EPP Faritra 4 no hisantarana azy


  • Alakamisy 31 Janoary 2019

Hahazo sakafo maimaimpoana avokoa ireo mpianatra eny anivon’ny sekoly ambaratonga fototra manomboka izao.

 

 

 

 

 

 Faritra efatra izay hita fa marefo ara-tsakafo indrindra no hahazo tombony voalohany  ety am-piandohana dia  ny  Faritra Androy, Atsimo Andrefana, Vatovavy Fitovinany ary Atsinanana. Hiara-kiasa akaiky amin’ny fanatanterahana izany ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena sy ny fanofanana ara-teknika, ny PAM ary ny masoivoho Koreana Tatsimo ka mpianatra 3.000 isa no hahazo tombony. Tanjon’izy ireo ny hampihena hatrany ny tahan’ireo ankizy mitsoaka an-daharana an-tsekoly  vokatry ny tsy fahampian-tsakafo, indrindra ao anatin’izao vanim-potoanan’ny maitso ahitra izao.  Hiova endrika ny sakafo omena ireo mpianatra sy ny fomba fiasan’ireo mpiara-miombon’antoka. Raha vary, voamaina… no nalefan’ireto farany teo aloha dia avadika ho vola indray ary alefa mivantana amin’ireo tompon’andraikitra isam-paritra  mba hahafahan’ireo mpianatra mihinana sakafo feno hery sy be otrikaina. Nandritra ny fitsidihan’ny masoivohon’i Koreana tatsimo Atoa  Lim Sang Woo ny minisitry ny fanabaeazam-pirenena sy ny fanofanana ara-teknika Ramatoa Volahaingo Marie Therese no nahafantarana izany omaly, notronin’ny solontenan’ny PAM. Mbola hiitatra any amin’ny faritra hafa ny  hetsika.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT