Sosialy

Sakafo madio sy ara-pahasalamana Mbola mila ezaka be i Madagasikara


  • Alatsinainy 08 Jona 2020

Hitarafana ny fandrosoan’ny firenena iray ny fananany sakafo madio sy ara-pahasalamana. Raha ny eto amin’ny firenena dia mbola mila ezaka be ny fanarahana ny fenitry ny sakafo ara-pahasalamana

. Na izany aza dia manana andraikitra avokoa ny tsirairay ny amin'ny fiarovana ny fahasalamana amin'ny alalan'ny fadiovan'ny sakafo hoanina indrindra manoloana ny aretina coronavirus. Mahatratra 600 tapitrisa isan-taona ny olona marary noho ny fihinanana sakafo maloto sy misy otrik’aretina. Tafakatra 1600 miliara dolara anefa ny fifanakalozana ara-barotra mahakasika ny sakafo maneran-tany izay manome 10% amin’ny fifandraisana ara-barotra. Izany rehetra izany no nahatonga ny firenena mikambana (ONU) hankalaza ny andro iraisam-pirenena ho an'ny antoka ara-pahasalaman’ny sakafo. Omaly 7 Jona no nanatanterahana izany araka ny fanapahan-kevitra tamin’ny 20 desambra 2018. Ny eo anivon’ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana momban’ny Sakafo (FAO) sy ny Vondrona Iraisam-pirenena misahana ny fahasalamana (OMS) no niahy ny fankalazana ary ahitana firenena 189 no mpikambana mamolavola ny lalàna sy ny fenitra iraisam-pirenena momba ny sakafo. Raha ny eto Madagasikara dia efa mivondrona ao amin’ny komity nasionaly mivondrona ao amin’ny codex alimentarus ireo mpisehatra matihanina rehetra mahakasika ny sakafo sy ireo anivon’ny ministera tompon’andraikitra maro hanatsarana ny kalitao sy ny fenitry ny sakafo. Hatao izany satria ny fanjifana sakafo amina firenena iray dia efa ahafahana hitsarana sahady ny fandrosoany ara-toekarena ary maro be ny olana mety ho azo avy amin'ny sakafo tsy ara-pahasalamana tahaka ireny sakafo maro amoron-dalana maro izay tsy misarona akory ireny.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT