Sakafo lany daty sy mampidi-doza

Bisokoy 61 baoritra sy bonbons fonosana maro tratra tao Ankify


  • Talata 08 Jolay 2025

Taorian’ny resaka menaka tany Antsirabe, entam-barotra fihinana izay nahitana biscuit,

sôkôla, vatomamy lany daty maro no sarona nandritra ny fisafoana sy fisavana nataon’ny Zandary tao amin’ny Poste Avancé Ankify any Ambanja ny zoma 05 jolay 2025 tamin’ny 09 ora maraina, raha ny fampitam-baovao. Entana ara-tsakafo lany daty avokoa ireo izay tena betsaka raha ny tatitra. Sarona tao anatin’izany ny biscuit marika 61 baoritra. Bonbon karazany maro nahitana kely 16 fonosana, 21 fonosona, 9 fonosana, fonosana jumbo 16 fonosana, sôkôla 9 fonosana. Niara-nisalahy tamin’io ny manam-pahefana tao Ambanja sy Nosy Be. Saika halefa sy haparitaka tany Nosy Be ? Toe-javatra maneho itony fa betsaka ireo entana sy sakafo lany daty mety hampidi-doza miparitaka eny amin’ny tsena. Ireny no heverina fa anisan’ny miteraka ny fahapoizinana ara-tsakafo (intoxication alimentaire), ary mety hiteraka fahafatesana mihitsy raha tsy misy fitandremana tandremana. Nanamafy ny Zandarimariam-pirenena sy ny manam-pahefana any an-toerana fa vonona hanohy sy hampitombo ny hetsika fisavana, mba hisorohana ny fielezan’ireo entana mety hanimba ny fahasalaman’ny vahoaka. Maro amin’ireo vokatra ireo no mbola amidy sy mety hifangaro amin’ny entana tsy misy olana eny an-tsena, ka manentana ny rehetra ho mailo amin’ny fisafidianana izay hovidiana sy hohanina. Miantso ny olom-pirenena mba ho mailo sy hampandre ny manam-pahefana raha mahita tranga mampiahiahy toy izao eny amin’ny tsena, eny amin’ireo toerana fivarotana, na eny amin’ny seranana. Mila henjanina ny sazy ho an’ireo mpamongady na mpivarotra minia mbola mivarotra na manaparitaka sakafo mampidi-doza.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT