SAKAFO eto Madagasikara

Mila averina jerena kely ny fanajana ny fahadiovana sy ny fenitra


  • Alakamisy 04 Septambra 2025

Be loatra ny vaovao hita sy re momba ny aretina azo avy amin’ny sakafo,

misy aza moa ireo namoy ny ainy mihitsy rehefa avy namonjy fety sy lanonana. Samy mbola miandry ny tohin’ny raharaha Ambohimalaza moa ny rehetra amin’izao satria iny no tena nahoraka ; fa misy ihany koa anefa ireo tranga etsy sy eroa vokatry ny fahapoizinana (intoxication) sy mety ahiahina fanapoizinana ara-tsakafo (empoisonnement).
MITOMBO NY AHIAHY
Lasa mitombo ny ahiahy isaky ny handeha hamonjy fety, mety hoe mariazy io na aniversera na fety miaraka tapaka sy namana. Tsy resaka hoe tsy fandriampahalemana ilay izy fa tena ny zavatra araka sy sotroina mihitsy no lasa mampatahotra ankehitriny. Mipetraka ny fanontaniana : ilay sakafo mihitsy ve no ratsy sy mivadika ho poizina sa ny olombelona no efa marefo ? Ny fanadihadiana ihany no mahavaly an’io satria misy karazana fitsirihana maro be tsy maintsy atao. Ny hita fotsiny aloha dia tena maro ben y tsy fanajana ny fenitry ny fahadiovana amin’ny resaka sakafo eto Madagasikara. Tena saropady be anefa ny hanimasaka, atao talaky maso eny an-dalambe eny, hita isam-pokontany sy isaky ny kihon-dalana izany ho an’ny eto Antananarivo sy ny manodidina.Rehefa any anaty fety indray , misy ireo hoe hotely tena manaja ny fenitra fa eo ihany koa ireo eo ho eo ihany sy ny tena tsy ao mihitsy.
MISY ZAVATRA MILA AHITSY
Matetika ny hoe olom-pantatra na fianakaviana ihany no ikarakara ny sakafo aroso amina lanonana iray. Voahaja ve ny fepetra rehetra ? Olona matihanina tokoa ve no manao ny asa. Tena tsy mitovy mantsy ny hoe tia mahandro, mahay mahandro sy nianatra momba ny nahandro. Misy zavatra mila jerena sy ahitsy ny momba ity sakafo ity eto Madagasikara satria zavatra tokony hamelona ve no lasa mankarary sy mamono ho faty ? Ny filoham-pirenena mivady dia efa tratry ny fahapoizinana ara-tsakafo ihany koa tany Mahajanga. Mba ahoana moa izany ? Efa hita sy fantatra iny, mbola nitombo ihay anefa ireo olona lasibatra ary nitety faritra mihitsy ilay tranga mampalahelo.
RTT 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT