Sosialy

SAINTE MARIE Ankizy sahirana 50 nampianarina teny Frantsay


  • Alakamisy 17 Oktobra 2019

Ankizy miisa 50 avy amina fianakaviana sahirana monina ao Sainte Marie no nampianarina teny Frantsay maimaimpoana, fiaraha-miasa teo amin’ny orinasa STAR sy ny Alliance française Sainte-Marie.

 

 

 Avy amin’ireo faritra saro-dalana any amin’ity distrika iray ity toa an’i Marondia any Avaratra ireo 30 mianadahy ary  avy any Mahavelo any Atsimo kosa ny 20 ambiny. Ny mba hanamorana ny fianaran’ireto ankizy mpianatra ireto, ny fifaneraserany eny anivon’ny fiarahamonina ary ny  fitadiavany asa rehefa any aoriana no tanjona. Ny talata lasa teo izy ireo no notolorana mari-pankasitraka sady nomena Kits scolaires ihany koa hiatrehany ny taom-pianarana vaovao indray. Zava-dehibe ho an’ny orinasa Star moa ny fanohanana ny fanabeazana ny ankizy sy ny tanora tahaka izao, indrindra fa ho an’ireo sahirana ara-pivelomana.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT