Sosialy

Saika hifindra monina an-tsokosoko Malagasy 53 indray no tratra tany Mayotte


  • Alatsinainy 20 Septambra 2021

Kazarana sambo kely na ireny antsoina hoe: Kwassas ireny miisa 6 no tsikaritry ny tafika an-dranomasina tatsy Mayotte ary nosambotin’ny borigady an-dranomasina sy ny polisy mpiaro ny sisin-tany,

 ary zandarimaria ny alin’ny zoma hifoha sabotsy teo. Olona 120 no voasambotra tao anatin’izany, ka ny 5 tamin’ireo dia ireo mpampita sy mpitatitra. Amin’ny maha departemanta Frantsay an’I Mayotte, noho ny fanetsehana ny Minisitr’I Eoropa sy ny raharaham-bahiny, ary ny tafika misahana ny fandriampahalemana ao an-toerana, ny DASAC. OI (Aviation Civile Française), ary noho ny fanekena sy fifanarahana tamin’ny governemanta Malagasy, dia mpitsoa-ponenana antsokosoko 53 avy aty Madagasikara no naverina an-tanindrazana tamin’ny alalan’ny sidina an’habakabaka ny sabotsy takariva. 24 ora taorian’ny nahatongavan’izy ireo no natao ny fampodiana, ka notemerin’ny polisy mpiambina ny sisin-tany ireto mpitsoa-ponenana antsokotsoko ireto tamin’io fampodiana io, hoy ny vaovao avy any ivelany. Omaly alahady, nanao ny fombafomba nampisintahana hanalavitra an’I Anjouan Kaomorianina miisa 58 noho izy ireo tsy ara-dalàna sy misy pitsopitsony maro tsy milamina ihany koa ny polisin’ny CRA. Voalaza fa efa fanao io, ary anatin’ny fahaiza-manao tanteraka. Naneho ny fisaorana sy fankasitrahana ireo mpitandro ny filaminana miandahy miambavy nanao izay ho afany na an-dranomasina na an-tanety tamin’ny ady amin’ireo mpifindra monina tsy ara-dalàna any aminy ny Préfet-ny Mayotte Thierry Suquet izay iraka manokan’ny governemanta manoloana ny vokatra azon’izy ireo. Ao anatin’ny antsoina hoe:: “Opération Shikandra” ny ao Mayotte amin’izao fotoana izao, hiadiana amin’ny firongatry ny mpifindra monina tsy ara-dalàna. Raha tarafina amin’ity toe-javatra ity, mibanaka tanteraka izany ny sisin-tanin’I Madagasikara, ary efa any ivelany vao tratra ny mpitsoa-ponenana. Ny mpanao trafikana harem-pirenena izany mety manararaotra toy ny banga mihomehy alina mihitsy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT