SAHIRANA NY MALAGASY

Vao maraina dia hifandrombahana ny dabam-pako


  • Zoma 08 Desambra 2023

Tena tafiditra anaty fahasahiranana lalina ny ankamaroan’ny Malagasy ankehitriny.

Amin’ny hariva tokana sisa no hany mihinan-kanina fa ny ankoatra izay dia miaina anaty kibo rivotra hatrany. Vao maraina dia efa foana tsy misy na inona na inona ny ao an-kibo, ny atoandro ihany koa toraka izany raha tsy maintsy mihinana kely amin’ny alina ho fitandroana ny aina tsy ho faty. Vokatr’izay dia samy mirenireny mitady izay harapany avokoa ny isan-tokantrano na ny ankizy na ny olon-dehibe. Tsy vitsy ireo mandeha manasa lamba, misy koa ireo mamonjy asa fivarotana raha tsy lazaina intsony ireo manenjika dabam-pako etsy sy eroa. Toerana maro eto an-drenivohitra no ahitana izany isan’andrpo toy ny eny Ampefiloha, Andavamamba…. Mifamaly sy mifamono mihitsy ireo fianakaviana sahirana misantatra izany dabam-pako izany sitrany ahay. Misy ireo mihinana avy hatrany raha vantany vao mahita ireo karazan-tsakafo mbola azo hanina avy any an-tokantranon’ireo mpanam-bola. Misy ihany koa ireo mitady karazana kojakoja toy ny tavoahangy plastika ….havadika ho vola na koa hanaovana zavatra hafa. Tamin’ity taona 2023 ity no tena nampitombo betsaka ireo olona miady dabam-pako raha araka ny fanazavan’ny Renim-pianakaviana iray teny Ampefiloha. Efa tena noana ny Malagasy hoy izy, ny vidim-piainana rahateo tsy mitsaha- midangana ka tena mahatsiaro fanina ny Malagasy. Henatra be vava ho an’ny mpitondra fanjakana ny tahaka izao, tranga tsy mbola nisy teto amintsika tato anatin’ny 60 taona.
Pati
Legende : Hifandrotehana tahaka izao ny dabam-pako vao maraina !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT