Sosialy

Sahiran-tsaina ny Malagasy Mirongatra ny fangoronan-tany ataon’ny Karana


  • Alarobia 01 Desambra 2021

Mirongatra izay tsy izy ny fifanolanana ara-tany amin’ny karana amin’izao Fitondrana Rajoelina izao. Maro ny fitakiana sy fananganana sora-baventy etsy sy eroa fa tsy homena ny karana ny tany.

Na an-tanàn-dehibe na ambanivohitra saika ahitana resaka tany lasan’ny karana na bodoin’ny karana, ka miezaka manohitra izany ny vahoaka sy ny fokonolona, saingy toa lasa atody miady amam-bato. Nigrevy sy nilanja sora-baventy teny amin’ny Kianjan’Amboanjobe etsy Atsimondrano ny faran’ny herinandro teo ny olona satria misy ampahany amin’ny kianja voalaza fa nofaritan’ny karana, ary efa misy tsatoka na “piqué” eny anaty kianja. Tany Toamasina II, nosamborina ny Ben'ny Tanàna lefitry ny kaominina Amboditandroroho miaro ny tany nalain'ny Filatex. Efa tonga eny amin'ny Fitsarana ankehitriny ity ady tany hifanolanan'ny fokonolona miisa 30 000, ao anatin'ny fianakaviana 300, amin'ny Filatex. Tamin'ny taona 1923 no nalain'ny colon, ka rehefa lasa izy ireo, dia ny fokonolona no nanamasaka sy nanajary ny tany. Ny taona 2018 anefa dia tampoka teo ny Orinasa Filatex no nilaza nahazo ny tany, ka anaovana famokarana herinaratra mandeha amin'ny masoandro, veliranon'ny Filoham-pirenena, amin'ny tany mirefy 14ha. Ankehitriny, tonga namefy ny tany ny Filatex, ary rehefa nanao hetsika ny fokonolona, dia nosamborin'ny zandary ny Ben'ny tanàna lefitra isan'ny miaro ireto fokonolona ireto, ary nametrahan'ny prefe EMMO ao anatin'ilay tany nofefena, hoy ny fampahalalam-baovao. Ny tany Mampikony efa an-taonany ny fifanolanana, ary nisy hatramin’ny fitrongisana vary mbola maniry,… Etsy Ankadifotsy Boriborintany fahatelo eto Antananarivo indray, nisy ihany koa ny fametrahan’ny olona sora-baventy tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity, toy ny hoe: “izahay tsy karana fa tompon-tanàna, tsy amidy na atakalo ny taninay”. Ny eny Antanandrano moa efa am-bolana maro izay ny fifandirana eo amin’ny Malagasy sy ny karana, ary vao andro vitsy izay ny vaomiera mpanadihady etsy amin’ny Antenimieram-pirenena no nilaza fa io no hisantarana ny fanadihadiana

TSY MISY MPITONDRA MIARO…
Amin’ny ankapobeny, toa tsy misy mpiaro firy ny Malagasy, minia mikipy ny mpitondra ambony, izay toa mampitombina ahiahy fa miainga avy any an-tampony ny famarotana tanindrazana ka foretina tsotr’izao ny madinika. Tsy dia mba misy mpitondra Fanjakana miaro, ary raha mba nisy manam-pahefana nijoro aza tany Toamasina, dia nosamborina, ampiasaina hamoritra vahoaka ny mpitandro filaminana. Tsiahivina fa ny Filoha Rajoelina mihitsy no nilaza ny 03 novambra 2018, fa mivarotra 100ha dia afaka manao zavatra, ka tsy atao mahagaga ny fisian’ny toy izao. Tsy hisy karana hahazo tany fahatany, fa misy manam-pahefana ao ambadika, ary ny mpiasan’ny fananan-tany akory tsy vahiny fa Malagasy.
SARY 2
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT