Sosialy

Sabotsy Namehana Milahatra isan’andro miandry fanampiana ireo zokiolona


  • Alatsinainy 30 Martsa 2020

Very fanahy mbola velona ny sefom-pokontany ao Morondria, kaominina Sabotsy Namehana, distrikan’Antananarivo Avaradrano.

 

 

Raha araka ny vaovao azo mantsy dia milahatra isan’andro eo anivon’ny Fokontany miandry ilay fanampiana nampanantenain’ny filoha Andry Rajoelina ireo zokiolona eny an-toerana marobe nefa mbola tsy nahazo toro-marika mifandraika amin’izany ity sefom-pokontany iray ity hatramin’ny faran’ny herinandro teo. Toraka izany koa ireo mpanasa lamba izay miantehitra amin’ny kely azo isan’andro nefa tsy afa-manoatra intsony ihany koa. Aleon’ny isan-tokantrano mantsy manasa lamba hanalana andro amin’izao fihibohana izao toy izay mbola hamoaka vola hanakaramana olona indray sitrany ahay hividianana vary hiatrehana izao tsy fahafahana mivoaka izao. Manao antso avo amin’ny filoha araka izany ity sefom-pokontany ity mba hijery akaiky ilay fanampiana tokony omena ireo zokiolona sy mpanasa lamba ao amin’ny kaominina misy azy. Marihina moa fa ho an’ity Fokontany iray ity dia mivoha maraina izy ireo manentana sy manome toro-marika ny mponina amin’ny ady hataon’ny coronavirus. Raha vantany vao migadona ny amin’ny 12 ora atoandro dia manampy ny mpitandro ny filaminana amin’ny fanakatonana ireo tsena mbola mivoha izy ireo ho fanajana ilay tsy fahafahana mivezivezy intsony.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT