Sosialy

RSE CNaPS Nanolotra fanomezana ho an’ny Orchidées blanches


  • Alarobia 18 Desambra 2019

Tontosa tetsy amin’ny Orchidées Blanches Androhibe omaly talata 18 desambra maraina ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny olona sembana ara-tsaina.

  

 

 

Hetsika izay nifanindran-dalana amin’ny krismasin’ny Orchidées Blanches, ka nanolotra fanomezana ho azy ireo, toy ny fanaony isan-taona ny fianakaviamben’ny CNaPS.

Lanonana roa sosona no natao teny amin’ny Orchidées Blanches Androhibe. An-daniny ny Noelin’ireo ankizy sy tanora beazina, an-kilany kosa ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny olona sembana ara-tsaina. Amin’ny maha orinasa miahy ara-tsosialy ny CNaPS dia tafiditra ao anatin’ny antsoina hoe « Responsabilité Sociétale de l’Entreprise » (RSE) ny fanampiana ny fikambanana mitaiza zaza sembana. Tsy vao sambany akory izao fa

efa 11 taona no nanampy ny Orchidées Blanche ny CNaPS, hoy Ramatoa Rakotoary Nathy, Talen’ny fifandraisana eo anivon’ny CNaPS foibe. Nitarika ny delegasionan’ny Tahirim-pirenena nizara kilalao ho an’ny ankizy amin’izao ankatoky ny Noely izao sady nitondra fifaliana ho an’ireo zaza sembana ara-tsaina ny tale jeneray Mamy Rakotondraibe. Asa sarotra mila finiavana ny fanabeazana ny olona sembana, mahatratra 40 ireo mpanabe mitaiza sembana miisa 131 eto amin’ny Orchidées Blanches.  Fantatra teto fa azo sorohina amin’ny alalan’ny fitsaboana ny fahasembanana. Ka ilaina ny fiaraha-mientan’ny fiarahamonina amin’ny adidy tokony hatao amin’ireo mpiray tanindrazana manana fahasembanana.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT