Sosialy

Rotsak’orana be loatra Nandray fepetra ny BNGRC


  • Zoma 03 Janoary 2020

Manoloana ny rotsak’orana betsaka sy mifanesy eto Antananarivo amin’izao fotoana izao dia misy amin’ireo tany sy vato indray no ahiana hihotsaka.

 

 

 

 Araka izany dia  tsy maintsy nandray fepetra mialoha ny teo anivon’ny Birao Nasionalin’ny Fitantanana ny Loza Ara-boajanahary (BNGRC). Voalohany amin’izany ny fanentanana ireo rehetra mipetraka eny amin’ny faritra avo mba hanaiky ny fandaminana hapetraka hisorohana ny loza mety hitranga. Voakasika amin’izany ny toerana manodidina an’Ampahamarinana. Na dia misy aza ny fampitandremana dia tahaka ny mahazatra tsy mieritreritra ny hiala na hifindra toerana ny ankamaroan’ny olona mipetraka eny. Vao omaly alina indray anefa no nisy vato iray lehibe no nihotsaka tetsy Ampahamarinana saingy tsy nisy ny aina nafoy fa trano hazo iray no simba ary olona 16 tanatina fianakaviana 4 tafo no tsy maintsy nafindra toerana raha ny tatitra teo anivon’ny BNGRC.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT