Sosialy

Ronono miditra eto an-drenivohitra Mety hisy fitiliana tampoka eny an-dalana


  • Zoma 16 Aogositra 2019

Niharatsy ny kalitaon’ny ronono avy any amin’ny Faritra Vakinankaratra.

 

 

Misy amin’izy ireny no efa mitapo-drano vao entina eto an-drenivohitra, hany ka tsy feno intsony ireo karazana otrikaina tadiavina aminy. Ankoatra, anisan’ny antony maharatsy kalitao ny ronono avy any an-toerana ihany koa ny ombilahy manome taranaka ny ombivavy. Raha vao ratsy taranaka ny ombilahy dia misy fiantraikany amin’ny ronono havoakan’ilay ombivavy ankoatra ny haratsian’ny ombikely haterany. Midina vokatr’izany ny ronono azo avy amina ombivavy iray. Raha nahatratra 40 litatra isan’andro teo aloha dia lasa 10 litatra sisa ankehitriny. Amin’ny ankapobeny anefa dia tsy ampy intsony ny ombilahy tsara taranaka ho an’ity faritra iray ity. Mikasika ny ronono hakarina eto an-drenivohitra avy any an-toerana manokana dia fantatra fa mety hisy fitiliana tampoka eny an-dalana hamerenana ny kalitaony amin’ny laoniny ho fitsinjovana ny fahasalamam-bahoaka. Nahazo fitaovana fitiliana ronono vaovao miisa telo avy amina tsara sitrapo iray ny minisiteran’ny fiompiana sy ny jono.

 

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT