Sosialy

Roland Ratsiraka “Hanohitra hatramin’ny farany io Pipeline io aho”


  • Alarobia 10 Novambra 2021

Niezaka nanazava omaly ny avy ao amin’ny orinasa HITA (Huilerie Industrielle de Tamatave), fa miainga eo amin’ny Seranan-tsambo ka hatreny amin’ny « raffinerie » eny Ampilaolava ny fantsona lehibe na « pipeline »

 mpitondra menaka. Nambara fa fantsona mafy tsara, hiaka farany ka tsy misy atahorana, mirefy 9 km io, milevina 1,50 metatra ambanin’ny tany ary tsy mbola nisy nampiasa taty Afrika sy ny ranomasimbe Indianina, hoy ny mpitantana ny orinasa HITA, izay nanipika fa tsy misy atahorana hanimba ny tontolo iainana velively izy io. Namamafy kosa ny solombavambahoakan’i Toamasina, Roland Ratsiraka fa tsy fanatsarana ny tanànan’i Toamasina velively kay ny antony nametrahana ny tetikasa Miami fa fiarovana ny orinasa HITA mba hahafahan’ity orinasa mpamokatra menaka ity mametraka ilay fantsona mamakivaky ny torapasiky ny moron-dranomasina ao Tahiti kely,orinasa akaikin’ny fitondrana io, hoy izy ka manao izay tiany. Tsy hihemotra amin’ny fanoherana io tetikasa fametrahana « pipeline » io mihitsy aho fa hijoro hatramin’ny farany, hoy Roland Ratsiraka, naneho fa aoka izay ny fanitsakitsahana ny vahoaka Malagasy sy ny vahoakan’i Toamasina. « Mamonjy COP 26 resaka fiarovana tontolo iainana ianao, izao lavahana indray ny morontsirak’i Toamasina fa hoe asiana « pipeline », hoy izy niantefa tamin’ny Filoha Rajoelina, dia rehefa tonga ny rivodoza ahita loza eto fa ho feno menaka ny ranomasina. Atsaharo ny ampihimamba ara-toekarena, tsy ekena vahoaka Malagasy mividy menaka lafo satria orinasa iray no manao izay tiany. Misy ozinina iray any Mahajanga , misy ihany koa ao Toamasina samy mpanao menaka ireo, ka avelao hisokatra ny ozinina sasany, hoy izy. Notsipihin-dRoland Ratsiraka hatrany fa tsy nahazo alalana avy amin’ny ministeran’ ny tontolo iainana ny fametrahana io « pipeline » io. Efa nisy ihany koa ny didy navoakan’ny ben’ny tanànan’i Toamasina hampitsaharana ny fametrahana ilay « pipeline » hoy hatrany i Roland Ratsiraka. Mifanenjana aloha izany ity depiote ity sy ny orinasa HITA, ary tsy vao izao izy no niresaka sy nanakiana an’io orinasa io ho manimba ny tontolo iainana, saingy mandeha ny resaka fa ny Mpitondra Fanjakana no ao an-damosin’ny ankilany. Hanao ahoana ny tohiny ?
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT