Sosialy

Rodoben’ny mpanohitra “Ny vahoaka Malagasy mihitsy no efa Kere”


  • Zoma 18 Desambra 2020

Aotra ny tombana ho an’ny fitondrana ankehitriny hatreto, hoy ny avy eo

 

 

 

anivon’ny rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara, tetsy Bel’air omaly. Efa ho tafakatra 5000 ariary izao ny sandan’ny Euro. 1000 ariary, hoy ny filohan’ny antoko politika Kintana, Tabera Randriamanantsoa, ny kapoakam-bary. Tsy ny any atsimo intsony no kere fa ny vahoaka Malagasy manontolo. Mitotongana ny vidin’ny lavanila any amin’ny faritr’i SAVA. Tsy fahaizana mitantana no fahitanay RMDM izany, hoy ny tenany, ka toherinay. Tsy mahita ho anina intsony ny vahoaka Malagasy ary ny mpitondra manao ny kolikoly azony atao. Tsy mazava ny fitantanana ny Covid 19. Ankasitrahanay ny hetsiky ny antenimierandoholona izay manangana komisionina fanadihadiana momba ny resaka fitaovam-piadiana, ny verin-droa na “doublon” tamin’ny fifidianana, ny fitantanam-bola tamin’ireny aretina ireny sy ny raharaha Farafangana. Ilain’ny vahoaka ny fahafantarana ny marina momba izany ary ho hita tsy ho ela. Nametraka ny ratsa-mangaikany manerana ny distrika ny RMDM ka izaho, hoy ny filohan’ny Kintana, no mitarika ao Fianarantsoa. Efa misy RMDM ao Manakara, Mananjary, sy ny kaominina mandrafitra an’i Fianarantsoa rehetra. Maha menatra izany hoe firenena faran’ny mahantra eran-tany i Madagasikara. Aondrana an-tsokosoko ny volamena, efa mandeha koa izao ny andramena izay nahazatra an-drizareo tamin’ny tetezamita. Mino izahay, hoy i Tabera Randriamanantsoa, fa hatanjaka ny mpanohitra amin’ny taona hoavy satria hitotongana daholo izao rehetra izao. Hiakatra ny vidin-javatra ary tsy ho tantin’ny vahoaka intsony. Antony hametrahanay ny rantsa-mangaikanay hamantarana ny tena fijaliam-bahoaka isaky ny distrika izany, hoy hatrany ny fanazavany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT