Sosialy

“Rocade” Marais Masay-By Pass Matahotra hiala maina ireo ho rava trano


  • Talata 11 Jona 2019

Fianakaviana marobe no tsy maintsy miala amin’ny toeram-ponenany noho ny fanatanterahana ilay lala-manitsy na ny “Nouvelle Rocade” miainga eny amin’ny Marais Masay mipaka any amin’ny By Pass.

 

 

 

 Ny tombontsoa iraisana no laharam-pahamehana, hoy ny eo anivon’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy tamin’ny alalan’ny Tale jeneralin’ny fanajariana ny tany. Honeran’ny fanjakana ny fanesorana ireo fianakaviana voakasika ary hamoraina ny fialan’izy ireo amin’ny toerana. Miantso ireo voakasika rehetra ireo mba hanaiky ny fiaraha-miasa hanafainganana ny dingana mba hahafaha-manatontosa haingana ilay tetikasam-pampandrosoana ny fanjakana. Miankina amin’ny tombam-bidin’ny fananana ho rava ny fanonerana, ary ambara fa ny 20% amin’ny dingana araka ny lalàna hahafaha-manala ireo olona no efa vita amin’izao fotoana. Miahiahy fatratra amin’io resaka fanonerana io anefa ny ankamaroan’ireo tsy maintsy horavana ny tranony. Ankoatra ny fahabetsahan’ny dosie, tena sarotra ihany koa ny famoronana sy fanamboarana azy ireny. Manahy ny tsy hahazoana na fitarazohan’ny fanonerana ara-bola azy ireo ny ankamaroan’ireo voakasika.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT