Sosialy

Rivellino Ravelomahazo “Tokony hihetsika ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa”


  • Zoma 30 Oktobra 2020

Raha misy ny fidanganana vidim-piainana na fitotonganam-bola na sandam-bola na fiakaran’ny vidin’entana moa izany no valiny eny anivon’ny tsena dia miankina amina zavatra maro, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Rivellino Ravelomahazo.

 

 

Nisy iny Covid 19 izay nahazo izao tontolo izao iny. Vokatry ny fihidian’ireo sisintany maneran-tany dia tsy afaka nanao ny fandraharahana ara-barotra araka ny tokony ho izy daholo ny mpandraharaha. Izay fotsiny dia efa niteraka fatiantoka ho an’ny mpandraharaha dia ny mpanjifa no akany izay fatiantoka nanomboka ny febroary no nankaty izay. Rehefa te hiaro tena izy dia hoe nilatsaka ny tahan’ny ariary dia noho izany hampiakatra vidin’entana izahay. Voalohany indrindra aloha dia ao ny tomponandraikitra eo anivon’ny raharaha ara-barotra eto amin’ny tany sy ny firenena. Misy ireo komisera sy mpanara-maso misahana izany tokony handray ny andraikiny manoloana ny fanararaotana ny mpanjifa ireny. Eo koa ny INSTAT izay mamoaka ny taham-piakaram-bidim-piainana na “taux d’inflation” dia iny no hampidirina ao anatin’ilay vidin-javatra mba hampanara-dalana ilay izy. Tokony hihetsika koa ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa satria ny manohitra izay endrika fanararaotana izay no tena asany. Isika mpanjifa koa, hoy hatrany izy, afaka manafay amin’ny alalan’ny tsy fividianana ireny entana hanararaotana ireny, indrindra, raha toa ka tsy filana an-davan’andro.

J. Mirija

Legende: Rivellino Ravelomahazo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT