Sosialy

Rinah Rakotomanga “Tsy eto ihany no misondrotra ny vidim-piainana”


  • Talata 02 Novambra 2021

Tsy eto Madagasikara irery no misondrotra ny vidim-piainana fa maneran-tany, hoy Roa Rinah Rakotomanga ny sabotsy lasa teo tamin’ny fandarahana manokana nandeha tamin’ny faitalavitra maromaro.

 Ny “choc petrolier” tamin’ny 1973 no isan’ny nampiakatra indrindra ny vidim-piainana maneran-tany taorian’ny taona 70. Niaka-bidy ny solika, niakatra ny vidin’entana. Izao indray ny covid-19 izay nahitana ny “ralentissement des activités économiques” maneran-tany dia nampidangana ny vidim-piaianana. Ny tao anatiny ihany no nampiasa sy nividy solika. Nisokatra tsikelikely anefa izany, nitombo avy hatrany ny fanjifana. Nanentsina ny fatiantoka ny orinasa, nanenjika ny filàna amin’ny tsena,… ka ilay orinasa mpamokatra no nampiakatra. Ny 80% amin’ny vokatra fanjifana eto anefa dia mbola hafarana avokoa. Miakatra ihany koa ny saran’ny fitaterana, miakatra 1000 heny ny “cargo” iray, 3000 dolara ny kaontenera iray makany Chine-Etazonia, izao efa 25 000 dolara. Izay no mampitotongana ny vidim-piainana iraisam-pirenena, miantraika aty amintsika, hoy I Rinah Rakotomanga. Eto an-toerana, misy mpanelanelana maro samy maka tombony. Tsy manao “interventionnisme”, “subvention”,… intsony intsony ny Fanjakana fa miezaka mametraka ny vidiny araka ny tokony ho izy. Mila manao “injection” ana vola amin’ny fanaovana tetikasa ny Fanjakana, manao fanafarana entana mivantana, toy ny amin’ny alalan’ny SPM (State Procurement of Madagascar) tahaka ny vary, hoy I Rinah Rakotomanga. Tonga ao Toamasina anefa ilay entana, fa ilay mpaninjara indray no tsy mandray anjara satria kely ny tombony. Betsaka ny azo ifampiresahana, toy ny resaka fanalefahana haba na hetra. Eto, entana mbola any anaty sambo aza ny miakatra, tonga dia miakatra ny eto. Tia kely isika, dia lasa manao “contrôle de prix” ny Fanjakana, hoy hatrany i Rinah Rakotomanga. Efa fantatry ny Fanjakana fa midangana be ny mason-karenan’ny fanafarana koa nahoana ny Filoha no sahy miteny fa fandrosoana tsy mbola nisy ny fanafarana? Nahoana no mbola sahy manao vava be hoe: hiandry vary 2 taona vao miakatra ve? Ekena fa tsy afa-miala amin’ny fanafarana aloha fa moa mba misy politikam-panjakana mazava hoe: ao anatin’ny 5 taona, ohatra, mihena hatrany amin’ny 30 na 40% sisa ny fanafarana? Kianja sy kisehoseho ivelany aloha no maika eto.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT