Sosialy

Resy ny aretina lefakozatra Nahazo mari-pankasitrahana i Madagasikara


  • Sabotsy 25 Aogositra 2018

Fongana tanteraka eto amintsika ny aretina lefakozatra mpahazo ny zaza latsaky ny dimy taona ary tsy ahiana intsony ny hisiany.

Noporofoin’ny fikambanana iraisam-pirenena misahana ny fahasalamam-bahoaka (OMS) tamin’ny alalan’ny fanomezana mari-pankasitrahana ho antsika eto Madagasikara io  omaly  tetsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina. Nandray izany ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ka nambarany fa miezaka hatrany ny fitondram-panjakana manatsara ny fahasalamam-bahoaka. Lohalaharana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza, antony nanosika ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka hikarakara ireny herinandro ho an’ny fahasalaman’izy ireo ireny. Toraka izany koa ny fanaovam-baksiny iadiana amin’ny aretina lefakozatra, ny fanaovana ny fandrindram-piterahana ho an’ny vehivavy…Nofaranana tamin’ny fizarana loka ho an’ireo tobim-pitsaboana fototra toy ny CSB I, CSB II mendrika indrindra ny lanonana. Tafiditra tao anatiny ny CARMMA na ilay ivontoerana ho enti-mampidina ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza tsy salama, naorin’ny vadin’ny filoham-pirenena.  Anisan’ny nahazo ity loka ity moa ny CSB II Antsakatsaka any amin’ny distrikan’Ambanja, ny CSB II Antongona…. Renim-pianakaviana maro ihany koa no notoloran’ny filoham-pirenena mivady fanomezana. Tsiahivina fa nanomboka tamin’ny taona 1988 isika teto Madagasikara no nanomboka niady tamin’ny aretina lefakozatra. Fahalemena tanteraka na fahavoazan’ny tongotra ilany ( ketrakila) amin’ny ankapobeny no mety ho vokany ho an’ny ankizy.

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT