Sosialy

Resaka varo-janaka lasa ady ara-tserasera Ny Fanjakana mandiso, ny depiote manamarina,…


  • Alakamisy 12 Janoary 2023

Sesilany ny fandisoana avy amin’ny tompon’andraikitra ara-panjakana na rafi-panjakana samihafa nilaza fa tsy marina ny filazam-baovao milaza ny fisiana fivarotan-jaza ao Ikongo.

Anisan’ny namoaka fanambarana lava mikasika an’io ny zandarimariam-pirenena izay naneho fa nanao fanadihadiana tamin’ireo tompon’andraikitra ara-panjakana samihafa, toy ny Solon-tenam-panjakana (CAA Ifaniria) sy ireo olom-boafidy tany an-toerana (Ben'ny tanàna Ifaniria sy Tanakamba), ny "assistant parlementaire" ao Ifaniria, ka samy milaza fa tsy nahatsikaritra na naheno izany. Nitohy tao amin'ny foiben'ny PAM (Programme Alimentaire Mondiale) ao Manakara ny fikaroham-baovao, ny Talem-paritry ny mponina,…. nefa tsy misy fahamarinany, hoy ny zandarimaria.. Tetsy andaniny, vao afak’omaly no nanamafy ny Depiote voafidy tany Ikongo fa tena misy io, tsy tombam-bidy, fa rehefa mahazo vola ny Ray aman-dReny, ka afaka mampisakafo ilay ankizy. “… Tsy manana fanantenana na ny hahitana mangirana hiatrehana ny ho avy ka matahotra sao ho fatin’ny mosary sy hanohanana ilay zaza ka aleony velona eny an-tanan’olona toy izay hitazona azy ao anatin’ny ankohonana”, hoy izy. Nisy indray ny fanehoan-kevitry ny depioten’Ikongo omaly teo anatrehan’ny fandisoana samihafa nanao hoe: “Dia tena malahelo anao aho ry Fireneko, vao oviana ianareo namoaka fa hoe: voasambotra tao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony ny olona nivarotra zaza varira tany Ikongo ka niteraka ny famonoana olona maro tany. Vao firy andro izay no tratra tany Ihosy ny voalaza fa mpangala-jaza tany Ikongo, nefa rehefa natao famotorana dia voalazan’ny fampanoavana ao Ihosy fa Ray aman-dRenin’ny zaza ihany no nivarotra ilay yzaza ka mbola migadra ao Ihosy izy mivady miaraka amin’ny mpiray tsikombakomba. Olona nivarotra zaza taminay in-doa miantoana nosamborin’ny Polisy ary nentina tany amin’ny Birao. Tsy manome tsiny na iza na iza anefa aho satria fantatro ny tsindry mitambesatra aminareo tsirairay”, hoy ny depiote Brunelle Razafitsiandraofa eo anatrehan’ny fandisoana samihafa. “Olona miasa aty Ikongo aho, ary efa nahita olona nivarotra, ary efa nivarotan'olona ny zanany fa tsy nividy. Tena zava-misy io tompoko, fa tsy atao lavanty any an-tsena fa hoentiny mitety tanàna ! Ambarako aminao eto ry Governora fa ny asa sosialy ataonareo dia tsy mipaka zato isan-jato amin’ny tena fadiranovana, fa betsaka no lasan'ny mpanana sy ny akaiky vilany mahamay! Tsy hiteny zavatra maro aho fa ampy izay”, hoy ihany koa ny Kaomantera nataon’I Pasitora Rafaralahy Jean Mahita. Nanamafy ny fisian’io ny ben’ny tanàna voafidy tany Andefampony Ikongo,... Hohenjehina ara-pitsarana ho mpanakorontana saim-bahoaka sy manohintohina ny fiandrianam-pirenena araka ny fiampangana matetika ataon’ny Fanjakana ary ve ny gazety iray sy ny depiote Brunelle Razafitsiandraofa? Toa lasa adin-tserasera no miseho eo anatrehan’ity toe-draharaha ity, ka mitady tsy ho hita hoe: ny an’iza no marina ary ny an’iza no diso. Sao dia tsy ampy ny resaka 2 na 3 andro fa tena ilàna fanadihadiana lalina?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT