Sosialy

Resaka “Tandra” tanaty kabary Afaka madiodio i José


  • Alarobia 12 Febroary 2020

Nivoaka omaly ny didim-pitsarana mikasika ilay mpitsara nitory an-dRaharison José William, mpikabary mikasika ilay resaka tandra

 

 

tamin’ny tarehy nanaovana tononkalo miady rima tao anatina lanonam-panambadiana mpifankatia iray. Afaka madiodio  ity mpikabary avy eo anivon’ny FIMPIMA ity  raha mbola narahina fanazavana kely ny famoahana ny didy. Horakoraka noho ny hafaliana ny an’ireo vahoaka tonga nanatrika ny fotoana izay samy nisaotra an’Andriamanitra no nisaotra ny lehiben’ny fitsarana  ihany koa. Nambaran-dRaholdina Naivo, izay akademisiana sady solombavambahoakan’ny Boriborintany fahadimy fa  efa hita taratra ao anatin’izao fitondrana izao ny fiovan’ny fomba fiasan’ny Fitsarana. Tena efa mitsinjo sy mijery ny vahoaka madinika izy ireo, hoy izy  matoa namoaka vokatra toy izao ka tokony hahatoky ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana amin’izay ny vahoaka. Nisy moa ny anatra fohy nentiny ho an’ny mpitsara nandritra izany toy ny hoe : rehefa any anaty biraony izy ireny no mpitsara fa rehefa eny ivelany dia mitovy amin’ny rehetra ihany noho izany dia tsy tokony hanao fitsaram-bahoaka anaty mariazy sy hanampatra fahefana tahaka izany.  Raha tsiahivina, teny amin’ny akany iray teny Alarobia Amboniloha no niditra ilay mariazy ny datin’ny 14 desambra lasa teo  Tao anatin’ny lanonana indrindra no nitroatra ilay mpitsara izay nahatsiaro ho voantohintohina ka niantso vadin-tany ary ity farany no nitondra ilay mpikabary nalaina am-bavany tany amin’ny mpitandro ny filaminana avy hatrany sady nidina “violon” nandritra ny 48 ora.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT