Niteraka resabe tao amin’ny tambajotran-tserasera facebook afak’omaly alahady ilay resaka hala-jaza nitranga teny Ambilanibe Anosibe ka nisiana lehilahy roa izay voasambotra.
Raha araka ny resaka nifanaovanay tamin’ny sefom-pokontany ao Anosibe Andrefana I Randrianiaina Teloson dia adina mpivady iny tranga iny raha ny resaka mandeha. Handeha hitsindrona izy ny alahady maraina tokony ho tamin’ny 08 ora no nifanena tamina olona miisa dimy ka vehivavy ny iray. Nitrotro zaza izy ireo, hoy ity sefom-pokontany ity ary somary hafahafa ny fahitako ilay zaza nentiny satria nipoitra be ny lohany. Izaho kosa anefa tsy afaka ny hanaporofo fa efa maty io zaza nentin’ireo olona dimy nifanena tamiko io raha izay avokoa no nambaran’ny manodidina. Vao nidify kely anefa ireo olona ireo dia nahare feo aho fa mpangala-jaza, hono, izy ireo. Nisy indray ireo nilaza fa adina mpivady no niandohan’ny tantara. Maty ilay zaza tsy manan-tsiny ka niteny ilay rainy fa alevina ao an-trano ilay zanany. Nanohitra izany indray anefa ilay reniny ka nilaza fa manana fasan-drazana izy ireo ka tokony ho any ilay zaza no halevina ka izay no anton’ilay fifandirana. Tsy nahazaka izany anefa ireo olona niaraka taminy ka nitondra ilay zaza saingy nohenjehin’ny fokonolona izy ireo izay tsy fantatra na havan’ny lahy na havan’ny vavy. Vaovao farany niparitaka, hoy ity sefom-pokontany ity ny fandrenesana fa anisan’ireo lehilahy nitondra ilay razana nitsoaka ireo niditra tao anaty honahona ireo raha tsy hay izay niafaran’ilay Ramatoa iray niaraka tamin’izy ireo sy ilay zazakely maty, ity farany izay voalaza fa natsipin’izy ireo. Raha araka ny fantatra hatrany moa dia tsy mponina ao amin’ny fokontany Anosibe Andrefana I ireo olona dimy nitrotro zazakely ireo fa mpandalo fotsiny ihany.
MPITARIKA POSY
Resaka adina mpivady ihany koa ilay tranga raha ny vaovao nampitain’Atoa Josoa, mpitondra lakana taminay omaly. Tonga nanatona azy mantsy ny mpampiasan’io lehilahy io izay voalaza fa mpitarika posy ary rain’ilay zaza voalaza fa nangalarina ny iray. Eny amin’ny trano sachet plastika eny la reunion kely izy ireo no nipetraka ary nifamaly izy mivady tamin’io andro Alahady io. Rehefa raikitra teo anefa ny fifandirana dia nilaza ilay lehilahy fa ho entiny ny zanany ka niantsoantso ilay Ramatoa fa mpangala-jaza ilay vadiny. Voatery nanavo-tena ilay rain-jaza sy ilay namany noho izany ka lasa nitsoraka tao anaty honahona izy ireo noho ny tahotry ny fitsaram-bahoaka. Nilaza hoy Atoa Josoa ilay mpampiasa io lehilahy io fa tsy mpangala-jaza ilay olona hampiasainy fa mpitarika posy. Tsy voalazan’Atoa Josoa moa ny mikasika ilay zaza nentiny fa izy roalahy no hitany. Raha ny feo nandeha ihany koa anefa dia zaza maty io niadivan’izy mivady io noho ny alahelon’ilay Rangahy fa tsy andrasana ao anaty trano sachet plastika ny nofo mangatsiakan’ilay menaky ny ainy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.