Sosialy

Resaka famonoana omby Nifampitory izy mianadahy mpiraitampo


  • Alatsinainy 15 Novambra 2021

Mpiraitampo iray kibo no nifampitory noho resaka nobo vono ombivavy tany Anjagnoveratra Antsampanamahazo distrikan’i Sambava, ny herinandro lasa teo.

Raha ny loharanom-baovao azo dia ny notetitetehan’ny anabavin’ilay rangahy iray monina ao an-toerana, ny ombivavin’ity farany, ka maty. Tsy fantatra mazava anefa ny tena fototra nahatonga ny ady. Nitory ilay rangahy ary nalain’ny zandary natao famotorana, hatramin’ny alarobia teo, ilay anabaviny nahavita namono ny ambony. Niparitaka be tao an-tanàna moa ny raharaha ka niditra an-tsehatra ihany koa ny fianakavian’izy ireo. Tonga hatramin’ny fanarian’ny vadin’ilay vehivavy namono ny ombin’ny anadahiny mihitsy moa ny raharaha. Amin’ity herinandro vaovao ity no hiakatra fitsarana ny raharaha.
Nangonin’i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT