Nirarakompana ny fanontaniana teny amin`ny Antenimierandoholona mitady ny mangarahara mikasika ny famoaham-bolam-panjakana.
Nirarakompana ny fanontaniana teny amin`ny Antenimierandoholona mitady ny mangarahara mikasika ny famoaham-bolam-panjakana. Nitaky ny mangaraharaha mikasika ilay raharaha vatomamy 8 000 tapitrisa ariary ny loholona. Ny filohan` ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao, tetsy ankilany, dia nanamafy fa ilaina no mamaritra ireo tomponantoka amin` ity raharaha ity. Notsindriny hatrany fa « na eo aza ny fahamehana ara-pahasalamana dia tokony jerena ny tsena, izay tsy tena manaraka lalàna, voafaritra ». Nohitsiny hatrany ny ministry ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana (MID), Tianarivelo Razafimahefa, amin` ny hoe “nahazo ny “accord”-nao izy tamin` ity raharaha ity”. Etsy andaniny, nanamafy ny filohan'ny foibem-pibaikoana ny ady amin'ny covid 19 sady minisitry ny Atitany, Tianarivelo Razafimahefa, fa tsy nivoaka tamin'ny kitapom-bolam-panjakana velively ilay vola 8 miliara ariary voalaza fa nividianana vatomamy ho an'ny mpianatra misotro Covid Organics. “Tsy nandalo filankevitry ny governemantat akory io resaka io. Maninona no misy ny anaran` ny MID ao anatin` ny fangatahana? Antony izay dia noho ilay “procedure en amont” hiakarana amin` ny filankevitra hijerena hoe ilaina amin`ny ady amin`ny covid-19 izany”. Na izany na tsy izany anefa, misy ny fanadihadiana ataon'ny “inspection générale de l'Etat” (IGE) sy ny birao mahaleo tena miady amin'ny kolikoly (BIANCO), hoy ny minisitra misahana fanabeazana misolo toerana, Elia Béatrice Assoumacou, na dia tsy noresahina tamin` ny minisitra teo aloha, Rijasoa Andriamanana aza, ity raharaha ity.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.