Resaka asa any Chine

70 mianadahy voafitaka


  • Alarobia 31 Janoary 2024

Misy hatrany ny mpamitak’olona eto amintsika ary tsy mitsahatra ny

mitady hevitra mba hahazoam-bola izy ireny. 70 mianadahy indray omaly no nanainga avy any Ambalavao fa nisy nampanantena asa any Chine no sady handraisan-karamabe. Noho ny tonga tao Fianarantsoa anefa izy ireo omaly Talata ihany dia akory ny hahatairan'izy ireo fa tsy tonga ilay fiara saika hitondra azy ireo hiakatra eto Antananarivo. Ankoatra izay dia tsy voalohan'ilay Ramatoa nitondra azy ireo ihany koa ny vidin-tsakafon’izy 70 mianadahy raha nisakafo atoandro tao amin'ny trano fisakafoanana iray tao Fianarantsoa izy ireo. Marihina fa tsy misy manana taratasy ireto olona nampanantenaina hiasa any Chine ireto. Voatery notazonin’ny mpitandro ny filaminana ilay tompon'andraikitra noho izany koa andrasana izay mbola mety ho tohiny. Marihina moa fa misy hatrany ny tranga tahaka izany eto amintsika. Ny mahagaga anefa dia misy hatrany koa ireo voa izay tsy hay intsony na tsy mahay maka lesona na tratry ny fandraikiraikena.
Pati
Legende : Nisavoritaka tamin’ny fiara tahaka izao izy 70 mianadahy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT