Sosialy

Reraky ny adin-tsaina sy ny fitadiavana Maro ny olona tratry ny « fatigue générale »


  • Zoma 04 Novambra 2022

Reraky ny adin-tsaina amin’ny fampandehanana ny fiainana amin’ny andavanandro ny ankamaroan’ny olona amin’izao.

Misy miteny irery mihitsy ny sasany eny am-pandehanana eny raha tsy vitsy ireo lasa adala. Ho an’ireo mbola mahavita manohitra ihany dia ny fatigue generale no tena mamely azy ireny. Ankoatra ny fiasan-tsaina mantsy dia miasa mafy amin’ny fiaretan-tory sy ny fanaovana asa maro ihany koa ny vatana mba hahazoana vola betsaka. Tsy mitsahatra izany na dia amin’ny faran’ny herinandro aza indrindra fa ho an’ireo maro an-trano. Antony tena mampahazo vahana ny fatigue générale izany raha araka ny fanazavan-dRamandimbison Rija, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Centre Aina Soa etsy Namontana. Betsaka ireo olona nambarany fa voan’io faharerahana tanteraka io amin’izao, izay tsy maintsy miditra hopitaly mihitsy rehefa tena voa mba asiana serum….Rehefa tratry ny fatigue mantsy ny olona iray dia nambarany fa mirongatra daholo ihany koa ireo karazan’aretina maro ao anaty ka ilana fitsaboana mafonjabe. Notsindriany ary fa mahafaty ny fatigue generale ka ilana fitandremana. Vahaolana narosony ho an’ny rehetra araka izany ny tokony hihinanana sakafo ara-pahasalamana hatrany. Misy mihinana betsaka ihany isika Malagasy hoy izy fa tsy ampy kalitao. Toraka izany ihany koa ny fakana aina misitaka kely miaraka amin’ny fianakaviana mihitsy na dia indray mandeha isam-bolana ihany aza mba hanalana ny vesatry ny saina sy ny hareraham-batana.
Pati
Legende : Any amin’ny hopitaly vao mijanona ireo olona tratry ny fatigue générale
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT