Sosialy

Reny vao tera-bao etsy Befelatanana Nahazo fanomezana manokana


  • Alatsinainy 28 Mey 2018

Ny ankamaroan’ireo renim-pianakaviana tonga miteraka etsy amin’ny hopitalim-panjakana Befelatanana dia saika sahirana ara-pivelomana avokoa.

 

 Misy amin’izy ireny no tsy manana akory na dia ny hamidy fanafody aza  raha sanatria ka tojo  olana. Misy ihany koa ireo tsy manana fitaovana hiterahana. Betsaka ireo efa noraisin’ity hopitaly iray ity an-tanana ny fikarakarana azy saingy misy ihany koa ireo karazana tranga tsy azo hihodivirana. Nahatsiaro manokana ireo renim-pianakaviana tonga miteraka ao amin’ity hopitalim-panjakana iray ity ny faran’ny herinandro teo ny Airtel notarihin’ny tale jeneraliny Maixent Bekangba. Tafiditra indrindra tao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny reny ny hetsika ka nanoloran’izy ireo kojakoja maro samihafa ho an’ireo mpiteraka. Anisan’ireny ny couche, ny ronono, ny savony…entina hanamaivanana ny fahasahiranan’ny renim-pianakaviana vao tera-bao amin’ny fiainana andavanandro. Fantatra tamin’izany fa misy hatramin’ny 14 taona ireo zazavavy kely indrindra tonga miteraka ao amin’ity hopitalim-panjakana iray ity raha mihoatra ny 55 taona kosa no zokiny indrindra. Misy amin’izy ireo no voatery mandalo fandidiana, tranga izay matetika misy isan’andro. Miisa folo   isan’andro eo raha kely ireo renim-pianakaviana tonga miteraka ao amin’ity hopitalim-panjakana iray ity.

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT